kalitao, eo afovoan’ny hetsika “Institut du chocolat”
Ny kalitao no ifotoran’ny asa rehetra tanterahin’I ICM. Ny fenitra dia zava-dehibe mba ahafahan’ny seham-pihariana sôkôla mahazo ny anjara toerany. Mandray anjara amin’ny endriny maro ny KALITAO.
Hita izy any amin’ny fandrafetana sy fandaminana toeram-pamokarana tsotra iray amin’ny alalan’ny torohevitra maro samihafa sy fandraisana anjara ataon’ny mana-pahaizana.
Misy « fiche de dégustation » omena ny toeram-pamokarana mahafeno fepetra natao nahamarinana ny kalitaon’ny vokatra avy ao aminy sy ahafahany mahazo torohevitra fanampiny raha toa ka mila hatsaraina ny kalitaon’ny vokatra vokariny.
Raha misy fanontaniana na fangatahana dia manorata any amin’ity : servicequalite@institutduchocolatdemadagascar.com