Skip to content

INSTITUT DU CHOCOLAT DE MADAGASCAR

FANDRAISANA

www.institutduchocolatdemadagascar.com

Ny Institut du Chocolat de Madagascar dia nipoitra avy amin’ny programma PROMOCHOCOMADA. Hevitra iray no niaigan’ny tetikasa : manan-karena kakao nefa mahantra sôkôla i Madagasikara, ny tanjona dia ny hametrahana seha-pihariana mifototra amin’ny sôkôla eto Madagasikara. Ilàna olona nofanina manokana eo amin’ny io sehatra io anefa ny fangananana izany. Noho izany antony izany indrinda no namoronan’i Michel Fossaert hetsika fanohanana ny Malagasy, amin’ny alalana fiofanana izay iarahana amina « maitres chocolatiers » frantsay. Nanampy azy tamin’izany i Fabien Razakandrainibe, Bertrand Ramaroson, Alain Ambinintsoa, et aussi Jean Claude Charpentier (Chocolaterie du prieuré) Sébastien Gohier (Chocolaterie Gohier), Tanguy Roelandts (Chocolaterie Puyricard), Eric Vallégeas (Chocolaterie de l’île de Ré), ary olona roalpolo hafa.

Dimy tamin’ireo « maîtres chocolatiers » frantsay, ireo no tonga teto Antananarivo, nizara ny fahaiza-manaony. Tamin’ny volana Jona 2019 ny fiofanana voalohany natao, telo hafa no kasaina hatao amin’ny septembra, ary valo izany mandritra ny taona 2020. Toeram-pamokarana madinika am-polony eo no haorina amin’ny faran’ny taona 2019. Hatokana ho an’ny fanondranana ny vokatra azo avy amin’izany. Ary toeram-pamokarana madinika eo amin’ny efapolo eo no eritreretina hiorina amin’ny fiandohan’ny taona 2021.

Nahaliana ny fitondram-panjakana io finiavana hamorona io. Nilaza taminay izy ireo mba hanao izay hampaharitra ity sehatra iray ity amin’ny alalan’ny fametrahana fototra mafy orina. Hitanay noho izany fa ilaina ny manokatra ny Institut ho an’ny daholobe : ireo tompona toeram-pisakafoana na mpanao mofomamy, ireo olona tia sy te hianatra zava-baovao momba ny sôkôla ary hatramin’ny ankizy aza. Ho an’ny ICM, dia ny kalitao no imasoana amin’ny asa rehetra ataony. Singanina manokana amin’izany ny fanaraha-maso mitohy ny fanajana ny fenitry ny kalitao izay tena ilaina rehefa hanondrana vokatra any ivelany. Hitanay ihany koa fa mila mivondrona sy mahay miaro ny maha izy ireo mpamokatra madinika ireo rehefa tafiditra ao anatina akademia ivondronan’ireo mpanao Malagasy mpanao sôkôla rehetra. Ny ICM no ivon-toerana fitaratra sy mahafeno fepetra hitantana izany asa izany.

Amin’ny alalan’ity tranokala ity, no hamelabelaranay ireo voalaza rehetra eo ambony ireo. Mirary vakiteny tsara ho anareo ary misaotra amin’ny fandraisanao anjara amin’ny fampamirapiratana ny ICM eo amin’ny sehatra nasionaly sy eran’izao tontolo izao.